Foto-kevitra, Vina sy Soatoavina
Ny fototry ny foto-kevitra, ny soatoavina ary ny vina TIM ho an'i Madagasikara miadana sy mandroso
Demokrasia – Fahalalahana
Ny antoko TIM dia manome lanja lehibe ny zo fototra maha olona ary manandratra avo ny fahalalahana ara-politika, ny fahalalahana ara-toekarena ary ny etika ara-moraly.
Ny TIM dia mivoy ny firaisam-pirenena, ny fanjakana tsara tantana, ny fahamarinan-toeran'ireo andrim-panjakana sy ny fanjakana tan-dalĂ na, ny fiandrianam-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana, ny fanjakana mpandrindra sy mpiahy, ny fiarovana sy ny fanomezan-danja ny vita malagasy, ny fanomezan-danja ny tanora ary ny fikolokolona ny tontolo iainana.

Tiako I Madagasikara
Marc Ravalomanana — 2002
Fahamarinana – Fahamasinana – Fampandrosoana
Ireo soatoavina fototra mitarika ny asan'ny TIM isan'andro
Fahamarinana
Fiarovana ny zon'olombelona sy ny demokrasia. Fampanjakana ny marina, ny rariny, ny tsara ary ny hitsiny. FanajĂ na ny lalĂ na.
Fahamasinana
Fametrahana fitondrĂ na tsara tantana ary ady amin'ny kolikoly. Fitandroana ny maha olona sy ny tontolo iainana. Fanandratana ny soatoavina sy ny kolontsaina.
Fampandrosoana
Fampandrosoana haingana, maharitra ary mitovy lanja ho an'ny faritra rehetra. Fitsinjaram-pahefana miainga amin'ny fokontany ary fanomezan-danja ny tantsaha.
Ny MAP : Fanamby 8 ho an'i Madagasikara
Noho ny Madagascar Action Plan, ny TIM no hany antoko politika afaka naneho vokatra tsara azo refesina sy manan-tantara
Le logo TIM guide la forme, la couleur et la hiérarchie du MAP.
Firaisankina nasionaly
Solidarité & Unité

Hanohy ny ezaka fanamafisana ny fihizina sy ny firaisankina maha Malagasy isika, ao anatin'ny fanajana ny kolontsaina marolafy sy ny fitovian-jo eto amin'ny tany sy ny Firenena. Hampiroborobo ny fandraisana andraikitra amin'ny maha olom-pirenena, ny fireharehana fa malagasy ary ny fizakan-tena ny vehivavy.
Ny vahoaka Malagasy dia hirehareha amin'ny fiaviny, afaka miatrika an'ireo zava-misy mifandraika amin'ny vanimpotoana ankehitriny ary mandray anjara feno amin'ny fampandrosoana an'i Madagasikara.
Ho mpikambana
Sorato ny mailakao mba hahazoana ny vaovao farany, ny tolotra sy ny hetsika ho avy amin'i Tiako I Madagasikara.
Hiditra izao